Na ny Zanany aza dia nomeny antsika

(Rm. 8, 31-34)

Na ny Zanany aza e,
Dia nomeny antsika e! (indroa)

1 Inona àry no holazaina mihoatra izany?            ô ia,
 Raha ny Tompo momba antsika izay nantsoiny,  ô ia!
 Iza indray no sahy hijoro hiampanga antsika?

2 Na ny Zanany aza dia tsy notsitsiany,               ô ia,
 Fa natolony antsika mianakavy:                         ô ia!
 Moa ve misy zavatra hafa tsy homeny?

3 Iza indray no sahy hijoro hiampanga                ô ia,
 Izay olona voafidin'izy Tompo,                           ô ia!
 Hanameloka izay marina amy Tompo?

4 Efa maty i Jesoa Tompo fa nifoha,                   ô ia,
 Ka mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra        ô ia!
 Ary izy no misolovava antsika.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy - Paka
Ankalazao ny Tompo p. 218
Fihirana Hasina p. 37
Vavaka sy Hira p. 441
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0622