Nandray ny fanjakany (2)

Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo,

Fa izy no nanao izao tontolo izao.

Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo,

Fa azy izao rehetra izao.

 

1 Nandray ny fanjakana Andriamanitra

 Fa izy ihany no tena Tompo,

 Ka nihotakotaka izao tontolo izao

 Fa nanehoany hery e e e ô ô ô.

 

2 Isaorana ianao, Andriamanitra,

 Tonga ankehitriny ny famonjena

 Nalavonao 'lay nikasa hiampanga anay

 Natrakanao 'zahay e e e ô ô ô.

 

3 'Zay matoky anao, Andriamanitra,

 Tsy mba hihontsona, tsy mba hatahotra

 Manana anao 'zahay Tompo ho tokinay

 Ho reharehanay e e e ô ô ô.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 36
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091