Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo (1)

Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo,
Fa izy no nanao izao tontolo izao.
Nandray ny fanjakany Andriamanitra Tompo,
Fa azy izao rehetra izao.

1 Ry Andriamanitray, misaotra anao izahay,
 Ry Mahefa, ry Taloha sy Ankehitriny,
 Fa naneho ny herinao tokoa ianao,
 Ka nandray ny fanjakana hoentinao!

2 Nihotakotaka avokoa ny firenena,
 Fa nipoaka kosa ny hatezeranao.
 Eny, tonga ny fotoana fitsaràna
 Hanomezam-balisoa ny nodimandry.

3 Ts'iza izany fa ny mpaminaninao,
 'Reo mpanomponao sy ny olomasinao,
 'Reo matahotra ao am-po ny anaranao,
 Ny madinika rehetra sy ny ambony.

4 Indro tonga ankehitriny ny fotoana,
 Ka miseho ny famonjena sy ny hery;
 'Zao tokoa ny fanjakan'ilay Tsitoha,
 'Lay Voahosony efa ombàna fahefana.

5 Indro lavo ilay mpiampanga ny havanay
 'Lay nifofo tsy an-kijanona azy ireo:
 Noreseny tamy ran'ny Zanak'ondry,
 Tamy teny notazoniny ho fambara.

6 Izy manko tsy nandala loatra ny ainy
 Na nikemo sy natahotra ho faty.
 O, ry lanitra tontolo, mifalia;
 Mihobia, ry olomasina rehetra!

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 144
Fihirana Dera p. 227
Fihirana Hasina p. 35
Vavaka sy Hira p. 451
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5034