Mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray

Mba ho fantatr'izao tontolo izao e
fa tiako ny Ray e.

1. E, Nekeko ny anjarako 'zay nosoritany, fa tiako ny Ray e!

2. E, Tanteraka ny asa napetrany tamiko, fa tiako ny Ray e!

3. Ny Tenin'ny Ray no hany ivelomako, fa tiako ny Ray e!

4. Navela ny helok'ireo fahavaloko, fa tiako ny Ray e!

5. Ny aiko natolotro: fara fitiavana, fa tiako ny Ray e!

6. Natsangako 'lay fanekem-pihavanana, fa tiako ny Ray e!

7. Ho resy tokoa ny herin'ny maizina, fa tiako ny Ray e!

8. Nietry aho ka indro natsangan-ko velona, fa tiako ny Ray e!

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 241
Antsao ny Tompo p. 80
Fihirana Hasina p. 34
Fihirana Vaovao p. 144
Vavaka sy Hira p. 440
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0318