Manjaka Andriamanitra. Aleloia, aleloia!

Manjaka Andriamanitra. Aleloia, aleloia! )
Miravoa, ry tany. Aleloia, aleloia!            ) (indroa)

1 Avy amin'Andriamanitra ny famonjena antsika
 Ka azy irery ihany na ny laza na ny hery:
 Satria ny fitsaràny mahatoky sy mahitsy.
           Aleloia! Aleloia! Aleloia!

2 Tongava, ry mpanompon'Andriamanitra rehetra,
 Isika mianakavy 'zay matahotra ny Tompo:
 Tongava, 'ndeha hidera 'zay nataony tamintsika.
           Aleloia! Aleloia! Aleloia!

3 An-tanan'Andriamanitra ny tehim-panjakana,
 An-tanan'izy Tompo koa ny fahefana feno:
 Hiara-mankalaza am-boninahitra azy isika.
         Aleloia! Aleloia! Aleloia!

4 Andeha hiravoravo koa isika 'zay nasainy,
 Fa tonga i Jesoa Tompo ho amy fampakaram-bady,
 Ka indro ny ampakarina efa vonona hotsenainy.
         Aleloia! Aleloia! Aleloia!

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 94
Fihirana Dera p. 219
Fihirana Hasina p. 33
Fihirana Vaovao p. 333
Vavaka sy Hira p. 452
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0757