Iza moa ianao, ry Jesoa Nazareana?

Iza moa ianao, ry Jesoa Nazareana? (indroa)
 
1 Tonga niara-nonina tamy zanak'olombelona, (i Jesoa...)
 Tsy mba notompoina fa nilatsaka ho mpanompo.
                              Ry Jesoa
 
2 Tsy mba nanameloka na velom-pitsaràna, (i Jesoa...)
 Fatra-panamaivana ny fijalian'ny ory.
                             Ry Jesoa
 
3 Lalam-pitiavana no lala-nodiaviny,  (i Jesoa...)
 Herin'ny fitiavany dia foiny hatramin'ny ainy.
                             Ry Jesoa
 
4 Nasandratr'Andriamanitra, nasandrany ho Tompo  (i Jesoa...)
 Eny, fa ianao tokoa no Zanak'Andriamanitra.
                             Ry Jesoa

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 186
Fihirana Dera p. 279
Fihirana Hasina p. 32
Fihirana Vaovao p. 166
Vavaka sy Hira p. 483
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094