Efa niharihary tamintsika ny indrafon'Andriamanitra

Efa niharihary tamintsika
Ny indrafon'Andriamanitra.

1. Efa niharihary tamintsika ny indrafon'Andriamanitra,
    Efa nidanadana ho antsika ny fitiavan'izy Tompo,
    Tena maimaim-poana no amonjeny ny taranak'olombelona
    Ny asa nataontsika am-pahamarinana: tsy sandany velively.

2. Lahatry ny indrafony no nidinan'ny Tompo hamonjy ny olona
    Tamin'ny niterahany azy ireo amy rano sy ny Fanahiny,
    Olona vaovao tokoa isika noho ny herin'ny Fanahiny:
    Io Fanahiny io no nilatsaka sy nanavao antsika.

3. Jesoa Kritsy, 'lay Mpamonjy no tena vy nahitana:
    Izy no fahasoavan'Andriamanitra, tokin'ny olombelona.
    Efa nohamarinin'ny fitiavany isika ka manantena,
    Afaka manantena fa handova ny fiainana tsisy fetra.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 373
Fihirana Hasina p. 30
Vavaka sy Hira p. 447
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0236