An'ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra anie ny hery sy ny laza

An'ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra anie )
Ny hery sy ny laza ary ny voninahitra!    ) (indroa)

1 Ry Tompo Andriamanitra mandrakizay e,
 Ianao re no mendrika ny haja sy ny hery,
 F'ianao no nahary ny zava-drehetra,
 Ka nisy izy ireny satria sitrakao.

2 Ianao re no mendrika haka ny Boky,
 Hamaha sy hanala ny tombo-kaseny,
 Fa noho ny Ra, fony ianao novonoina,
 Nanjary voavonjy ho an'ny Tompo 'zahay.

3 'Zahay samihafa fiteny sy foko,
 Ny olon-drehetra eran-tany tontolo:
 Nantsoinao izahay hanjakan'Izy Tompo,
 Ho tonga mpisorona hanjaka amy tany.

4 Ilay Zanak'ondry voavono ho faty
 No tokana mendrika handray fahefana,
 Handray ny harena ombam-pahendrena,
 Ny haja, ny laza arahina saotra.

Nampiditra Belle
Sokajy Jesoa Kristy
Ankalazao ny Tompo p. 118
Fihirana Dera p. 226
Fihirana Hasina p. 28
Fihirana Vaovao p. 282
Vavaka sy Hira p. 450
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2547