Ry tany, mihainoa

1 Ry tany, mihainoa
 Ny teny anatro:
 Andriananahary
 Miseho amintsika.
 Angony ny fontsika
 Hidera ny nataony
 Ho an'ny razantsika
 Sy ny firenentsika.
 
 2 Tompon'ny ranomasina
 Sy ny rivo-drehetra,
 Aza tezitra anay e,
 Fa zanakao izahay.
 'Zahay midera anao:
 Ny hiranay asaovy
 Aterin'anjely
 Any anatrehanao.
 
3 Ny asanao, ry Tompo,
 Ankasitrahanay
 Noho ny hasoavana
 Alatsany aminay.
 Hitan'ny masonay
 Ny soa nataonao e,
 Mampiaiky sy mampino
 Ny teny anatrao.
 
4 Zanahary mpitondra
 Izao rehetra izao,
 Tsy misy tsy fehezin'
 Ny fandidianao.
 Izao tontolo izao
 Nataon'ny tananao e,
 'Zahay feno toky
 Sy manantena anao.
 

Nampiditra Belle
Fihirana Dera p. 111
Fihirana Hasina p. 25
Fihirana Vaovao p. 408
Vavaka sy Hira p. 471
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.209