Miantso Anao 'zahay, ry Tompo, fa mitady ny Fanahy

1. Miantso anao 'zahay, ry Tompo
Fa mitady ny Fanahy hanavao ny taninay e,
Izy rivotra mahery mampijoro sy mandavo
Ka matahotra izahay sao alavony tokoa
'Zay naorinay rehetra

Tebitebinay rehetra 'zany tanisaina izany e
Koa aza esorina aminay ny Fanahinao ry Tompo ô
Mba hihavaozanay tanteraka araka ny sitrakao
Hisantaranay sahady
ô 'zany fiadananao

2. Miantso anao 'zahay, ry Tompo, 
Fa mitady ny Fanahy hanavao ny herinay,
Izy rano manan-kery hitondra aina sy handrava
Ka matahotra izahay sao ho ravany tokoa
'Zay mba nianteheranay

3. Miantso anao 'zahay, ry Tompo
Fa mitady ny Fanahy hanavao ny tenanay:
Izy afo manan-kery fa mandoro sy mandio
Ka matahotra izahay sao levoniny tokoa
Ny fitiavan-tenanay

4. Miantso anao 'zahay, ry Tompo, 
Fa mitady ny Fanahy hanavao ny fiainanay:
Izy avy aminao, ry Tompo, manan-kery hanova anay
Ka matahotra izahay sao fongorany tokoa
'Zay mba nahazatra anay

Nampiditra admin
Ankalazao ny Tompo p. 207
Fihirana Dera p. 244
Fihirana Hasina p. 50
Fihirana Vaovao p. 155
Vavaka sy Hira p. 492
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0396