Aza manadino ahy

1 Aza manadino ahy,

 Ry Mpihaino vavaka;

 Aza mba manary ahy

 Hanalavitra anao

 Mitodiha, ry Mpanjaka,

 Ka jereo ny olonao;

 Aza manadino ahy,

 Ry Mpihaino vavaka!

 

2 Hianao no fiereko,

 Vatolampy, heriko;

 Na kamboty aza aho,

 Faly manana anao.

 Afa-tahotra ny foko

 Raha miandrandra anao;

 Aza manadino ahy,

 Ry Mpihaino vavaka!

 

3 Eny, hianao no Raiko

 Ka hatoniko izao;

 Nefa ny fahadalako

 Aza mba heverinao.

 O! ampifalio aho

 Ka ombay ny elatrao:

 Aza manadino ahy,

 Ry Mpihaino vavaka!

 

4 Tabataba lalandava

 No mba hitako izao,

 Ka izaho te ho tonga

 Ao am-pitsaharanao.

 Mitenena, ry Jehovah,

 Mamalia ahy izao;

 Aza manadino ahy,

 Ry Mpihaino vavaka!

Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 18
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009