Aoka ho masina toy ny Rainareo ianareo

Aoka ho masina e ia, toy ny Rainareo ô, ianareo e
(Mt. 5, 48)

1 Mampiposaka ny masoandrony e
  Amin'ny olona tsy an-kavaka ny Tompo e,
  Fa masina izy e ia!
2 Sy mandrotsaka ranon'orana
 Amy marina sy ny meloka rehetra.

3 Ny fitiavany tsy manavaka,
 Ka tohanany ireo mahantra sy kamboty.
4 Ny hanasazy avy hatrany: laviny
 Fa andrasany mba hivalo 'reo mania.

5 Tsy mba nisy niverim-potsiny
 Ireo nisambotra sy nangata-pamonjena.
6 He tolorany fanomezana,
 'Reo 'zay mindrana tsy mba manana takalo.

7 Dia ho masina ka ho zanany
 'Zay manohy ny asa vitan'izy Ray.

Nampiditra Belle
Ankalazao ny Tompo p. 222
Antsao ny Tompo p. 79
Fihirana Dera p. 233
Fihirana Hasina p. 16
Fihirana Vaovao p. 169
Vavaka sy Hira p. 422
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0679