Tsy mamela anao hipetraka ny Evanjely

Tsy mamela anao hipetraka ny Evanjely!
Tsy mamela anao hipetrapetraka ny Evanjely

1. Fa nisasaka ny alina
Ny voaary efa sina
Efa rendriky ny tory
Ny ao an-tokantranonao
Fa injao manaitra tampoka
Mandondòna am-baravarana
Fa mitady, mila mofo ny sakaiza akaikinao

Ka hitsangana ianao
Hiarina ve sa hipetraka?
Ohhhh!
Ny marenina aza re nositraniny
Fa ny Tenin'Andrimanitra
Tsy natao ho henoina fotsiny
Fa ny Tenin'Andriamanitra natao ho hita maso

2. Nisy lehilahy iray nanana ondry zato
Ka nania ny ankiray, tavela any an-tsaha
Zovy ianao 'lay mpiandry
sahy handao ny maro an'isa,
Ka hitety havoana mba hitady ilay nania?

Ka hitsangana ianao...
Hiainga sa hipetraka?
Ohhhh
Ny jamba aza anefa nampahiratiny
Fa ny Tenin'Andrimanitra
Tsy natao ho henoina fotsiny
Fa ny Tenin'Andriamanitra natao ho hita maso

3. Ary isika izay mino
Natsangana ho fanasina
Ndrey ny ory mitomany
Tsy mba misy mpitia
Misy rariny ampanginina ahitana tombontsoa
Ka tsy misy te-hiteny fa jerena amin'izao

Ka hitsangana ianao
hidradradradra ve sa hikombona?
Ohhhh!
Ny marenina aza efa nositraniny
Fa ny Tenin'Andrimanitra
Tsy natao ho henoina fotsiny
Fa ny Tenin'Andriamanitra natao ho hita maso

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.087