Ry Maria Reninay ô, 'ty ny zanakao banjìno

Ry Maria Reninay ô,
'Ty ny zanakao banjìno;
Raiso re ny vavakay e

Amen, Aleloia!

Masina Maria ô, Renin’i Jesoa
Mihanta aminao ny zanakao
Indreto àry  izahay tsy manadino
Saina sy fo iray ho anao mandrakizay

Tantano ny irakao hahafoy tena
Hiray aina ao aminao, hanetry tena
Hiroborobo anie ny fiangonana
Hiara-miantso anao hoe: Reny malala

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Fihirana Hasina p. 83
Fihirana Vaovao p. 420
Vavaka sy Hira p. 596
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095