Fantatrao fa tiako Ianao Tompo

Fantatrao e fa tiako Ianao Tompo ô

Ao aminao no mifahatra ny fiainako

Ianao e no niantso ahy hatry ny ela

Koa inty aho manokantena ho Anao

 

1-      Mbola zaza aho ka mibada ny tenako

Ka tsy sahiko ny hanambara ny hafatrao

Olombelona mitafy nofo aman-drà

Kanefa Ianao no heriko sy tokiko

 

2-      Feo maro mifangaro manodidina ahy

Sakodiavatra aho fa tsy haiko ny manavaka

Ilay feonao hatry ny ela niantso ahy

Hoe: “Avia manantona, araho Aho”

 

3-      Manoloana ahy làla-maro misampana

Sanganehana aho fa tsy hitako izay hombàna

Nefa indro Ianao fa mijoro ho làlana

Tena marina mitondra amin’ny fiainana

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719