Ianareo no fanasin'ny tany, ianareo no fahazavan’izao tontolo izao

1-Ianareo no fanasin’ny tany,
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao,
Ianareo no anankinana ny ho avy
Mitsangàna mahereza tokoa.

Lavitra ny làlako ry Tompo
Mila ny herinao aho e,
Hanarahako ny dianao e
Eran’izao tontolo izao

2-Ianareo no voafidy ho iraka
Hanazava ny ao anatin’ny aizina
Halaviro ny tahotra, ry nama;
Mitsangàna fa roso ny dia.

3-Ianareo no solofo sy dimby
Miomàna mba ho faramandimby
Ianareo no toky sy aina
Mitsangàna fa aza malaina.

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 767
Karine Dera p. 502
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092