Tsy misy manam-pitiavana

1-  Nitopy tamiko ny fijerin’i Jesoa
     Fijery toa mamaritra ny hoaviko rehetra
     Hery sy hafaliana no manentana ny foko
     Mambabo ny fiainako ny fitiavanao
 
Tsy misy manam-pitiavana
Fitiavana lehibe indrindra
Noho izay mahafoy ny ainy
Ho an’ireo tiany
 
2-  Manomboka anio dia irahiko ianao
     Hitory ny fitiavako amin’ny olona rehetra
     Tsarovy fa ny fetran’ny fitiavako anao
     Dia ny aiko tsisy tambiny nafoiko ho anao.
 
3-  Tandremo nefa ianao sao matoky tena loatra
     Diso fantatrao ny kilemanao rehetra
     Matokia hatrany fa hanampy anao Aho
     Koseho ny hakiviana, k’avia manaraka Ahy.
 
4-  Tsy ho diso anjara amin’ny lanitra ianao
     Satria manokan-tena mba ho Ahy mandrakariva
     Any aoriana any dia Izaho handray anao
     Hanandratra fitiavana ny aina nafoinao.

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 732
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228