Ny tsodrano dia zava-mahery

1- Ny tsodrano dia zava-mahery, ô ry Dada sy Neny
Angatahiko aminareo mba tsy hanànan-tsiny
Tsofy rano ‘ty zanakareo fa handeha lavitra any,                  
Any amin’ny tany anirahana ahy.

Ny tsodrano dia zava-mahery
Avy amin’ny fahendren-drazana
Manome ny fanambinana “matokia”

( Ka mandrosoa)
Raiso ny tsodrano (mandrosoa)
Raiso ny tsodrano ( mamiràta)
Mamiràta am-pahamasinana

2- Tsisy manam-pitiavana lehibe indrindra hoy ny Tompo
Toy izay mahafoy ny ainy ho an’ireo tiany
Izany no faneva hitarika anao hatrany hatrany
Sambatra ianao raha tontosa izany.

3- Tsy mba hiady varotra amin’Andriamanitra izahay,
Sarobidy loatra ny antson’i Jesoa Kristy,
Mirosoa fa ny fianakaviana hivavaka ho anao,
Koa mahareta hatramin’ny farany.

Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093