Ho fitiavana aho

1- Tsy manam-paniriana lehibe afa-tsy ny hitia aho
Dia ny hitia hatramin’ny ho fatin’ny fitiavana
Aleoko lavitra ny andro lavan’ny fandavan-tena
Satria i Kristy no fiainako sy hany fitiavako

Ho fitiavana ao am-pon’ny Fiangonana aho
Ho fitiavana ao am-pon’ilay Reniko aho
Ho fitiavana ao am-pon’ny Fiangonana aho
Ho fitiavana ao amin’ilay Reniko aho

2- Ianao ihany, ry Jesoa, no mahafaly ny fanahiko
Satria ity foko ity dia te-hitia anao ho doria
Tsy manenina aho nanolo-tena tamin’ny Fitiavanao
Tsy nikaroka afa-tsy ny fahamarinanao

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 765
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1171