Ianao 'lay Zanak'ondry

1 Ianao 'lay Zanak'ondry nanolo-tena
 Sy nanaiky hisolo voina ho anay e,
 Mba hanadio ny otanay nolovaina tamin'i Adama,
     Mamindrà fo aminay, Tompo ô! (indroa)
 
2 Ianao 'lay Zanak'ondry nanolo-tena
 Sy nanaiky hisolo voina ho anay e,
 Mba hanadio ny otanay olombelona taranak'i Eva,
     Mamindrà fo aminay, Tompo ô! (indroa)
 
3 Ianao 'lay Zanak'ondry tsy manan-tsiny,
 Nisolo voina ho anay mpanota
 Sy nanavotra an'izao tontolo izao,
     Omeo ny fiadananao izahay e! (indroa)
 
 

Nampiditra admin
Sokajy Zanak'ondry
Fihirana Hasina p. 767
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092