Saotra, dera no omena

1-      Saotra dera no omena ho Anao Mpanavotra
Ianao nanetry tena, mba hanavotra anay.
 
Mba tahio ry Tompo ô, ny Fanahy sy ny fo
Tianay ny hiara-dia e, Aminao ka tsy hania
 
2-      Raha ory sy mijaly eto aza izahay
Tsy ho kivy fa ho faly amin’ny anjaranay.
 
3-      Ianao, ry Tomponay ô, no mba iankinanay
Ka inoanay homena ho anay ny famonjena.

Nampiditra admin
Sokajy Fisaorana
Fihirana Dera p. 292
Fihirana Hasina p. 717
Fihirana Vaovao p. 509
Karine Dera p. 539
Vavaka sy Hira p. 811
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093