Ô, ry Mofo novakiana, natao hampiombona

1. Ô, ry Mofo novakiana, natao hampiombona
Mba hahatonga hafaliana, hanala ny manjombona.

2. Ô, ry Mofo nozaraina, mitondra famonjena
Mba todiho ‘reo mitaraina, fa Ianao no fandreseny

3. Ô, ry Mofo novakiana, ‘zy manavao ny tany
Herinao no itokiana ka tahio hatrany hatrany

4. Ô, ry Mofo novakiana, hamelombelona
Ireo tany karankaina omeo rano velona

Indro averimberinay, anio mandrakizay
Fanekena vaovao, famonjena avy aminao

Nampiditra admin
Sokajy Komonio
Fihirana Dera p. 274
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0194