Kristy Jesoa no fihavanantsika

Kristy Jesoa, Kristy Jesoa,
Kristy Jesoa ô no fihavanantsika

1. Fototra iray no nihaviantsika
Izy no niandohana, Izy no hiafarana
Mamy toy ny fary, mamy toa tantely
Fiadanantsika Izy e!

2. Ny Hazofijaliana reharehantsika 
Eo i Kristy nifantsika ho antsika
Eo ny Renintsika, i Masina Maria
Fiadanantsika Izy!

3. Ny vatana aman-dran’i Kristy e!
Misandrahaka amin’ny tany toy ny ravinala
Ny asan’ny mampiray antsika
Fiadanantsika Izy e!

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1032