Indrafo

Amoròny fo madio aho, ry Tompo tianay,
Mba tsy hivadika amin'ny fitiavanao;
Sasao ny hadisoako diovy ny fahotako,
Satria ny indrafo no sitrakao. (indroa)

1 Omeo fo mifamela,
 Omeo fo mifandefitra,
 Tsy misy olo-marina tokoa 'zahay.

2 Toroy hahatsapa tena,
 Toroy hahay hibebaka,
 Dia ho zanakao tokoa 'zahay.
Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 770
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095