Zaho mino an’ilay Zagnahary / Zanahary (Kerobima)

Zaho mino, zaho mino
Zaho mino an’ilay Zagnahary e

1-  Zaho mino an’i Zagnahary
Nanao ny lanitra sy ny tany
Zaho mino an’i Jesoa Tompo
Zanany tokana Tompontsika e e e

Naterak’i Maria virjiny
Dia nijaly sy nampahoriana
Nofantsihana tamin’ny hazo
Dia maty ary koa nalevina e e e

Fa nony tonga kosa tamin’ny andro fahatelo
Nitsangana Izy e e e
Dia nipetraka eo an-kavanan-dRay
Velona Izy e e (4)

Zaho mino, zaho mino
Zaho mino an’ilay Zagnahary e

2-  Niakatra any an-danitra Izy
Nipetraka eo an-kavanan’ny Ray
Mbola ho avy amim-boninahitra
Hitsara ny velona sy ny maty e e e

Zaho mino ny Fanahy Masina
Tompo sy loharanon’aina
Tsaohina sy omem-boninahitra
Miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka e e e

Zaho mino ny Eglizy masin’i Kristy
Tompontsika e e
Ny Batemy tokana manala ny fahotana
Mino isika e e (4)

Zaho mino ny fiombonan'ny olomasina
(Mino isika e)
Zaho mino ny fanalana ny ota 
(Mino isika e)
Zaho mino ny fitsanganana ho velona
(Velona izy e)
Zaho mino ny fiainana mandrakizay
(Velona izy e)

Zaho mino, zaho mino
Zaho mino an’ilay Zagnahary e

Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1224