Aleloia e e ia, teninao ry Tompo mahavelona

Aleloia ia e e ia
Teninao ry Tompo mahavelogna ô
Aleloia e e ia
Teninao ry Ray no tena fiainana
Vahoaka:        

Aleloia mahavelogna
Aleloia tena fiainana

1- Ny Teninao ry Tompo
    Fanilo ho ahy
    Manazava ny fiainanay
    Manoro lala-marina
    Aleloia mahavelona
    Tenin-Janahary e
    Tena fiainana
 
2- Teninao ry Tompo
    Teny tena mahagaga
    Mampisy ny raha jiaby
    ‘Zay iainan’ny olombelona
    Aleloia mahavelona
    Tenin-Janahary
    E tena fiainana

3- N’teninao ry Tompo
    Dia teny fiainana
    Tonga nofo toa anay
    Mba hanavotra ny mpanota
    Aleloia mahavelona
    Tenin-Janahary
    E tena fiainana
 
4-  N’Teninao ry Tompo
    Teny tena mahery
    Mampaivana ny marary
    Mandroaka demony
    Aleloia mahagaga
    Tenin-Janahary
    Tena fiainana

Nampiditra admin
Sokajy Aleloia
Karine Dera p. 513
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0306