Aleloia, raisinay tenin-Jagnahary e

Aleloia a a Aleloia oia e e
Raisinay Tenin-Jagnahary e ia
Ankatoavinay Tenin-Jagnahary e ia
Fa teny masina sy mahery
Aleloia e e ia

1- Teny mahavita ny raha jiaby e ia
     Na ny voaary any an-danitra
     Na koa ny eto an-tany
     Ka mba raisonareo va?
     Raisinay Tenin-Janahary Aleloia a e ia
     Fa Teny mampisy ny masoandro
     Ny kintana jiaby amin’ny habakabaka e ia
     Ny ranomasim-be midadasika
     Ny lohasaha mandonaka ny tany e ia
     Ny zaka jiaby manan’aigny
     Zay mameno ny eto an-tany e ia
     Irô karazan-jaka maniry jiaby
     Ny biby mbamin’ny olombelognô ia
     Fa Teny mahery ka raisonareo va

2- Teny mahagaga sy mankahery e ia
     Manana hery tsy hay tohaina
     Zay rehetra mandray azy
     Ka mba raisonareo va?
     Raisinay ny Tenin-Janahary Aleloia ia e
     Anisan’izany i Abrahama
     Rain’olombelona mpino jiaby e ia
     I Moizy mpanafaka Israely
     Tamin’ny fijaliana sy fahoriana e ia
     Ireo mpaminany malaza
     Tamin’ny fahendrena sy ny fahamarinana e ia
     Ny apostolin’i Jesoa
     Sy ireo olo-masiny any an-danitra e ia
     Fa teny mahery e ka mba raisonareo va?

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 752
Karine Dera p. 551
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149