Aleloia, voninahitra

Aleloia, voninahitra
Aleloia, ho an’Andriamanitra
Aleloia, zay nanangana
Aleloia, an’i Jesoa ho velona

1-      Zava-mahagaga no hitan-dry Maria
Fasana foana sy vato mikodia
Anjely fotsy maniraka hitory
Velona indray i Jesoa ‘lay novonoina (2)

Aleloia, ataovy antso avo
Aleloia, ifampilazao
Aleloia, Jesoa lay nalevina
Aleloia, natsangan’ny Tompo

2-      Maty i Jesoa nisolo voina antsika
Velona Izy, santatra ho antsika
Tsy maintsy maty toa Azy koa isika
Raha te-handresymiaraka aminy.

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 644
Fihirana Vaovao p. 129
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094