Noely, noely, voninahitra

Noely, Noely, voninahitra
Noely, Noely, ho an’Andriamanitra
Noely, Noely, voninahitra ho Azy
Noely, Noely, any an-tampon’ny lanitra
 
            Fa misy zaza teraka ho antsika
            Mpanjaka Izy, zanaky ny avo indrindra
            Tao Betlehema no tonga teto an-tany,
            Dia ilay Jesoa terak’i Maria. (indroa)
 
Noely, Noely, fiadanana,
Noely, Noely, ao an-tanàna
Noely, Noely, ho an’ny olona,
Noely, Noely, lay tia fihavanana
 
 
Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 622
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1315