Mihainoa sy mandrenesa ianao, ry Nosy ô

1. Mihainoa sy mandrenesa ianao, ry Nosy ô
Firenena ô, mandrenesa ô
Mihainoa sy mandrenesa ry firenena
Indro tamy ny famonjena nandrasanao

Fa ny Tompo Tsitoha, ilay fialofako
Efa niantso tokoa ny anarako
Dia natsangany sy nasandrany
Ho reharehany
Eran’ny vazan-tany ô
Eran’ny vazan-tany ô

Ny tanako hisokatra hamafy ny fitiavany
Fanilo izay miposaka ao amin’ny haizina
Fa masina hirahina hitory fahafahana
Vato fehizoro re
Eran’ny vazan-tany ô
Eran’ny vazan-tany ô 

Fa mamiko loatra ny teninao
Tiako (tokoa) sy entiko hanavao
Hanavao ny zava-drehetra
Hanavao ny zava-drehetra

2. Ny mpanjaka sy ireo mpanapaka samy miaiky e
Fa ny Tompo no tena toky!
Izy Tompo nanandratra ahy mba ho manda vato
Fahendrena tsy hay resena ato anatiko ato.

‘Zay nilaozana, hohavaozina
Dia hovana ny nosimbana!
Ny hanoanana hofoanana!
Fa ny Tompo tokoa no efa nampanantena ô 
No efa nampanantena ô 

3. Ny vehivavy tsy hanadino ny sombinainy ô
Sanatria ô, sanatria e
Fa ny Tompo tsy hanadino an’izay nantsoiny
Vita tomboka am-pelatanany ka tsy foiny.

Fa ny Tompo Tsitoha, ilay fialofako
Efa niantso tokoa ny anarako
Fahamarinana ‘zay banjinina
‘Zay no sitrany
Eran’ny vazan-tany ô
Eran’ny vazan-tany ô 

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 599
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0792