Noho ny ota vitanay

1-      Noho ny ota vitanay, dia novonoina Ianao ry Tompo

Fa nitsangana ho velona hanamasina anay

Ka ny toetranay ratsy mba ovao re

Hanjary ho fiainam-baovao!

Tompo ô (3) mamindrà fo aminay (2)

2-      Ianao mitoetra eo an-kavanan’ny Ray Kristy

Any an-danitra any ambony, eo an-dapam-paradisa

Koa afaho mba tsy hifikitra amin’ny zavatra eto an-tany

Izahay mpianatrao

Kristy ô (3), mamindrà fo aminay (2)

3-      Dia nandefa ny Fanahy tamin’ny mpianatrao

Hijoroany ho mpanambara Anao manerana ny tany

Mba ataovy mifanaraka amin’ny sitrakao anie

Ny tenanay sy ny asanay

Tompo ô (3) mamindrà fo aminay (2)

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219