Zovy no manana izany fahefana

1-  Zovy no manana izay fahefana
     Hamela ny heloka hamotsotra ny ota
     Afa-tsy Ianao Andriamanitra Tompo
     Ilay be indrafo ary be fangorahana
     Afa-tsy Ianao Andriamanitra Tompo
     Ilay be indrafo ary be fangorahana

Mpiventy: Tompo ô, mamindrà fo aminay (2)
Vahoaka: Tompo ô, mamindrà fo aminay (2)

2-  Zovy no manana izay fahefana
     Hamela ny ota, hamonjy ny very
     Afa-tsy Ianao 'lay nomem-pahefana
     Hitsara eto an-tany ka hatrany an-danitra
     Afa-tsy Ianao 'lay nomem-pahefana
     Hitsara eto an-tany ka hatrany an-danitra

Mpiventy: Kristy ô, mamindrà fo aminay (2)
Vahoaka: Kristy ô, mamindrà fo aminay (2)

3-  Zovy no manana izay fahefana
     Hanala ny ota, hamaha izay mifatotra
     Afa-tsy ny Fiangonana Masina
     Nomem-pahefana hamehy sy hamaha
     Afa-tsy ny Fiangonana Masina
     Nomem-pahefana hamehy sy hamaha

Mpiventy: Tompo ô, mamindrà fo aminay (2)
Vahoaka: Tompo ô, mamindrà fo aminay (2)

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 878
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136