Mifona re 'zahay, miaiky heloka anatrehanao

Mifona re ‘zahay ry Tompo
Miaiky heloka anatrehanao,
Tsy mendrika atao hoe zanakao;
Miantso Anao hamindra fo 

1- Ianao ilay nirahina,
mba hamonjy ireo mivalo
Mamindrà fo aminay Ianao,
Mamindrà fo Tompo.

2- Ianao ilay tonga,
mba hiantso ny mpanota;

Mamindrà fo aminay Ianao,
Mamindrà fo Kristy.

3- Eh, Ianao ry Ray Fitiavana,
tsy mba mahavery anay;
Notsipahinay anefa Ianao,
Diso re ka mifona.

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Fihirana Dera p. 258
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0845