Ry Jesoa Kristy Tompo ô! Manome Fanahy

1-      Ry Jesoa Kristy Tompo ô
Manome Fanahy be fitia anay Ianao
Izahay anefa dia mazàna no mampalahelo Azy (Ef 4,30)
Tompo ô mamindrà fo aminay e (2)

2-      Ry Jesoa Kristy Tompo ô
Manome Fanahy Mpanazava anay Ianao
Izahay kosa dia mamono
Ny asany ao anatinay (I Tes 5,19)
Kristy ô mamindrà fo aminay (2)

3-      Ry Jesoa Kristy Tompo ô
Manome Fanahy Mpisolo vava anay Ianao
Izahay anefa indraindray tsy manaraka ny heviny (Jn16,7)
Tompo ô mamindrà fo aminay (2)

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0592