Iny lanitra manga tomaratra

Iny lanitra manga tomaratra iny, ry Tompo ô,
No hery manentana ny hafaliako.
Iny lanitra manga mamiratra iny, ry Jesoa,
No fanantenako eny an-dalana eny.

Na eo ireo tafiotra afafin'izay tsy tia ô,
Ny ahy ny finoako tsy misy tahotra.
Iny lanitra manga ao ambadik'io rahona io
Tsy maintsy ajoroko an-kasahiana.
 
1 Teny an-dalana eny aho, ry Tompo,
 Nahita ireo ory tsy misy mpiahy.
 Endrey ireto maso mipitrapitra
 Mananty ambim-bava eny an-jorony eny,
 Zaza madinika ilaozan-dreny.

 Niangaran'ny vintana hanirery ô! Fa nahoana re?
 Tsy ray, tsy reny fa zaza manjeny
 Fa osa sy bado, tsy manan-kamonjy ô!
 
 Ireo re ny zandrinao ô, ry Jesoa (zandrinao izy ireny)
 Ka iza no ilainy? Iza? Iza?
 Izaho re, ry Tompo Tsitoha ô,
 Fa ny foko tsy hahazaka hijery an'io
 Fa efa voadoron'ny teninao.
 
2 Teny an-dalana eny aho, ry Tompo,
 Endrey ny tanànako toa ho lao,
 Fa riso ary halatra sy soloky
 Firehana diso mambabo fo,
 Aina vonoina toa tsisy tody.

 Fehezin'ny vola hatraiza hatraiza ô! Fa nahoana re?
 Hare-mitanila, mahantra mangina,
 Fanahy maha-olona no indro ho rava.

 Ireo re ny zandrinao ô, ry Jesoa (zandrinao izy ireny)
 Ka iza no ilainy? Iza? Iza?
 Izaho re, ry Tompo Tsitoha ô,
 Fa ny foko tsy hahazaka hijery an'io
 Fa efa nisotro ny aleoko maty.

Nampiditra admin
Sokajy Jesoa Kristy
Fihirana Hasina p. 527
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1615