Avia midìna, ry Fanahy Masina ô, ianao ilay nirahina

Avia midìna ry Fanahy Masina ô,
Ianao ‘lay nirahina ho mpanamasina
Avia midìna ry Fanahy Masina ô
Itoero ny fonay fa miandry Anao ‘zahay
 
1-      Ry Fanahy Masina ô, mba tongava
Ho mpitondra aminay ny hazavana e,
Hazavana hanilo anay e
 
2-      Ry mpanafaka alahelo soa indrindra ô
Mba mitoera re eto aminay e,
Mba ho aina mamelona anay e,
 
3-      Ala sasatra amin’ny asa Ianao e,
Alokaloka raha maina andro e,
Tambitambin’ireo malahelo
 
4-      Ry fanilo loharanom-pahasambarana ô,
Mba tsidiho ny fonay mpino e,
Fa Ianao no harena sy herinay
 
5-      Androtsahy ireo fanomezanao e,
Mba omeo ny hasambarana tsy lefy e,
‘Zay rehetra mitoky aminao
 
6-      Voninahitra ho Anao, ry Ray ô
Voninahitra ho Anao, ry Zanaka
Miaraka aminao, ry Fanahy Masina

Nampiditra admin
Sokajy Fanahy Masina
Fihirana Hasina p. 163
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091