Voatokana ho ahy ianao

Voatokana ho Ahy ianao
Ka irahiko hitory eran-tany
Ny Vaovao Mahafaly mitahiry
Ny fahafahana, ny hafaliana sy ny fitiavana

Voatokana ho Ahy ianao
Fa voasoratra hiraikitra ao am-ponao
Ilay hafatra ijoroana ho fambara
Ka ny Fanahiko no hankahery ny firosoanao

Voatokana ho Ahy ianao
Ka tsarovy re fa aina no fetra
Raiso ho dinam-pifanekena ireo sedra
Izay handrefesana ilay herin’ny fitiavanao

Raisiko ny anjara manandrify ny fiantsoanao ahy
Vonona aho hitia hatramin’ny fara-fofon’aiko
Fa izany no voadiko masina,
Ry Andriamanitra Raiko ô

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 832
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097