Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo

Fiv: Mifalia isika e, fa akaiky ny Tompo. (Filipo 4, 4-5) 

(Sal. 84)

1. Nambininao, ry Tompo ô, ny tany maminao:
    ‘Reo babon’i Jakoba dia nampodianao
    Nanota ny olona, nefa navelanao:
    Ny heloka nataony nosaronanao tanteraka.

2. Ny hatezeranao narianao lavitra:
    Ilay Fonao sendaotra efa tony dia tony.
    Ampodio izahay e, ry Tompo vonjinay:
    Atsaharo amin’izay ny hatezeranao.

3. Dia ho mandrakizay ve no ho vinitra Ianao?
    Handavantaona koa ve ny hetezeranao?
    Fa moa tsy Ianao ve no hanome ny aina e:
    Ka ny vahoakanao ho faly aminao?

4. Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao
    Ary mba omeo anay ny vonjy avy aminao
    Hampandry sofina aho, fa niteny ny Tompo:
    Ny hany lazainy dia ny fiadanana.

5. Kely sisa, dia hovonjeny izay matahotra azy:
    Ka ny voninahiny hitoetra eto an-tany.
    Ilay fitia tsy mamadika dia indro fa tonga;
    Fihavanana sy rariny indro hifandray tanana.

6. Hitsimoka amin’ny tany ny fahamarinana,
    Ny rariny sy ny hitsiny hidina avy any an-danitra
    Voninahitra sy dera ho an’ny Ray sy ny Zanaka,
     Ho an’ny Fanahy Masina voninahitra sy dera.

Nampiditra marielatia
Sokajy Fiaviana - Noely - Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 295
Fihirana Dera p. 103
Fihirana Hasina p. 226
Fihirana Vaovao p. 15
Vavaka sy Hira p. 313
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0691