Eny e, lavitra ny Tompo isika

Fiv: Eny e lavitra ny  Tompo isika
       Raha mbola aty an-tsesitany
       Nefa kosa ny Fanahy
       Efa antoka ho antsika e. ( 2 Kor 5, 5-6 )

(Sal. 42)

1. Omeo rariny aho Andriamanitro
    Hanohitra 'reo tsy mpivavaka
    Afaho amin'olo-mpamitaka,
    Ianao no Andriamanitra mandako.
2. Nahoana aho re no nilaozana
    Nanjary hanamparan'ny rafiko?
    Tsilovy aho hahita ny lalana
    Tariho mba hahita azy marina.
3. Hitody ao am-bohitrao masina
    'Lay toerana ataonao fonenana;
    Handroso aho, ry Tompo Andriamanitro,
    Higoka ny tena hasambarako.
4. Valiha no hanaraka ny hirako
    Hidera ny Tompo Andriamanitro.
    Nahoana no ory ato anatiko,
    Toa ketraka ianao, ry fanahiko?
5. Angaha manadino Andriamanitra?
    Ao aminy hatrany no ifaharana;
    Izaho mbola hidera ny Anarany,
    Fa vonjy Izy sady Andriamanitro.
6. Deraiko  Izy Tompo Andriamanitro,
    Izaho nampidiriny an-tranony:
    Ho zanaka tahaka ny Zanany,
    Rahefa mandray ny Fanahiny!

 

Nampiditra marielatia
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 110
Fihirana Dera p. 238
Fihirana Hasina p. 209
Fihirana Vaovao p. 444
Vavaka sy Hira p. 279
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1575