Mandehana ianao lavidavitra kokoa

(Iz. 43, 1-4)

Mandehàna ianao lavidavitra kokoa
Fa miandry anao Aho;
Na mahatsapa aza ianao, fa efa tonga
Mandrosoa ihany lalindalina kokoa

1-      Izaho no Tompo Andriamanitra, ‘lay Mpamonjy anao
Sarobidy ange ianao, eo imasoko
Ka aza matahotra fa tiako ianao

2-      Matokisa ianao e, f’izaho ihany ity
Izaho no Mpanjakanao e, ‘lay Mpandresy
Ka aza matahotra fa tiako ianao

3-      Tamin’ny anaranao e, no niantsoako anao
Manaraha ahy ianao e, hitahy anao Aho
Ka aza matahotra fa tiako ianao

4-      Na mandalo aza ianao e, heniheny be
Homba anao hatrany aho e, mba tsy ho rendrika
Ka aza matahotra fa tiako ianao

5-      Na mandalo aza ianao e, afo mivaivay
Tsy handroro anao akory, ny lelafo be
Ka aza matahotra fa tiako ianao

Nampiditra admin
Fihirana Hasina p. 114
Fihirana Vaovao p. 459
Vavaka sy Hira p. 407
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092