Ataovy manakoako ny hoby

Ataovy manakoako ny hoby
Derao Andriamanitra, ry tany tontolo
Ihirao voninahitry ny anarany
Tolory fanompoana, fiderana azy ny Tompo (indroa)

Lazao izy mihira hoe :
Lehibe, mahatahotra ny asa vitanao,
Andriamanitra!
Lazao izy mihira hoe :
Reo fahavalonao miaiky
Ny herinao miezinezina!

Lazao izy hihira hoe:
Ny tany tontolo miankohoka anoloanao!
Lazao izy mihira hoe:
Mihira ho anao izao tontolo izao!
Mihira miantsa ny anaranao (indroa)

1 – Avia ianareo mba higaga ny asan’ny Tompo,
Mampihoron-koditra ny olombelona ny vitany!
Izy nanova ny ranomasina ho tany maina,
Afa-niampita ny onibe ‘reto tongotray!
Teo izahay no nanao lanonana ho azy. (indroa)

2 – Mahery izy moa, tsisy fetra ny fahamboniany,
Hanara-maso ny firenena rehetra.
Ka aoka tsy hidingin-drambo ireo mpikomy,
Ankalazao ny Tompo, ô ry vahoaka!
Aoka hanakoako ny antsa ho Azy (indroa)

3 – 'Lay Andriamanitra mpamelona aina anay,
Tsy mba mamela ny tongotray ho solafaka,
Fa nosedrainao izahay toy ny volafotsy, ry Tompo ô
Tianao ho nandalo fitsapana ny dianay
Torotoro ary valalanina izahay e. (indroa)

4 – Navelanao ny ratsy hamoritra any e,
Ho toy ny biby folahina hoenti-manompo
Ampandalovina anaty afo ny lalanay e,
Ao ny rano mangeniheny no nidiranay!
Fa navoakanao izahay norosoanao sakafo (indroa)

5 – Mahatalanjona, ry Andriamanitra, ny lahatrao
Ny famonjena ny olona no sitrakao
Ny zanakao no nisolo voina mba ho zanak’ondry
Ary ny Rany sy ny Fanahy no mpamelona aina!
Ankalazaina ny asanao, ô ry Ray (indroa)

Nampiditra holimanitra
Sokajy Fidirana
Fihirana Hasina p. 412
Fihirana Vaovao p. 193
Karine Dera p. 502
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0702