Dera ho Anao, ry Tompo, nandresy ny fasana

Dera ho anao, ry Tompo, nandresy ny fasana,
Hoby no asandratray voavonjy navelanao fahotana
Dia mankalaza Anao daholo ny vahoaka navotanao (2)

1- Ny rà izay nalatsakao,
    nampihavana anay indray ô
    Dia mankalaza anao daholo
    ny vahoaka navotanao

2- Dia santatra ho anay,
     ilay nitsangananao
     Dia mankalaza anao daholo
     ny vahoaka navotanao

Nampiditra aiinah
Sokajy Fihobiana
Fihirana Hasina p. 815
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0275