Izay maharitra amy fanompoana Ahy

Izay maharitra amy fanompoana Ahy, hoy ny Tompo,
homeko ny kintana fitarikandro izy.
(Apok. 2, 26-28)

1. Tompo ô, henoy ny teniko
Mba fantaro ny eritreritro

2. Ry Mpanjaka sy Andriamanitra ô,,
mandrenesa ny feoko miantso

3. Eny, Tompo, Ianao no ihantako,
Maraina Ianao mandre ny feoko:

4. maraina aho manosaka ny ao am-poko:
dia mamitsaka miandry.

5. Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao;
ny olon-dratsy tsy monina ao aminao;

6. ny adala tsy mijoro eo anoloan'ny Masonao;
ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao;

7. ny mpiteny lainga levoninao;
ny tia ra, ny mpamitaka, halan'ny Tompo!

8. Fa izaho, noho ny hatsaram-ponao lehibe,
dia hiditra ny tranonao,

9. hiankohoka ao an-tempolinao masina,
miaraka amin'ireo mpanoa Anao.

10. Tompo ô, tariho araka ny fahamarinanao aho;
noho ireo mitsikilo, hamarino ny lalana analoako.

11. Fa ny eo am-bavany, tsy azo itokiana;
ny ao am-pony heloka avokoa;

12. ny tendany, fasana mitanatana;
ny lelany, lala-malama!

13. Helohy izy, ry Andriamanitra;
ravao ny fakasany!

14. Helohy izy, ry Andriamanitra;
ravao ny fikasany!

15. roahy fa be ota loatra!
He ity izy mikomy aminao!

16. Izay rehetra mifefy aminao kosa, hifaly,
izay arovano, hihoby mandrakizay.

17. Eny, hiravo aminao
izay tia ny Anaranao!

18. Fa Ianao, ry Tompo, mitahy ny olo-marina,
sy mamefy azy ampingabem-panambinana!

Nampiditra aiinah
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 22
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094