Ry Jesoa Mofon'aina (2)

FIV: Ry Jesoa mofon'aina,
  Ry Jesoa mofom-pitiavana
  Ianao 'lay mofo velona
  Nidina avy any an-danitra
  Ianao 'lay mofo velona

  Nidina avy any an-danitra

1- Hasambarana tsy lany eo anilanao
     No honenako hatrany, ry Tompo ô!
     Ndrey 'zany hafaliana ao an-tranonao
     Ianao no mofo velona, mofon'ny fiainako

2- Ianao no lalana sy fiainana
    Ary fahamarinana, ry Tompo ô
    Tsapako ao anatiko ao ny fitiavanao
    Izay mameno ny fiainako hatramin'izao

3- Raha sendra ka manonja ny fianako ety
    Toa maizim-be, ry Tompo ô
    Indro tazako Ianao miantso hoe: "Avia"
    Izaho no Tomponao, sy hasambaranao.

Nampiditra aiinah
Fihirana Hasina p. 791
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092