Isaorako lalandava ianao

1- Isaorako lalandava Ianao, ry Tompoko
    Nitantana izany diako hatramin'izao
    Na sarotra sy mideza izany lalako
    Naharitra hatramin'izay aho, fa niaraka taminao

Ka fo falifaly sy ravoravo koa
No entiko misaotra Anao, ry Ray   
Herezo sy hatanjaho hatrany hatrany
'Ty zanakao manjohy ny antsonao

2- Isaorako lalandava Ianao, ry Tompoko
     Nitantana izany diako hatramin'izao
     Na maizina na mazava izany lalako
     Naharitra hatramin'izay aho, fa niaraka taminao

3- Isaorako lalandava Ianao, ry Tompoko
     Nitantana izany diako hatramin'izao
     Na potraka sy mianjera ho'aho 'ty zanakao
     Naharitra hatramin'izay aho, fa niaraka taminao

4- Isaorako lalandava Ianao, ry Tompoko
     Nitantana izany diako hatramin'izao
     Na lavitra sy tsy tazana izany lalako
     Natoky hatramin'izay aho, fa niaraka taminao

Nampiditra aiinah
Sokajy Fisaorana
Fihirana Hasina p. 821
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093