Isika vory eto izao

Mifankatiava, mifankatiava,
Mifankatiava ianareo;
Izany no hahalalana fa mpianatro,
Raha mahay mifankatia.

1-  Isika vory eto izao,
No mpirahalahy miaraka;
Izaho anie ho tokinao,
Ianao kosa ho tokiko.
 
2- Isika vory eto izao
No toy ny rano sy vary;
Ka na an-tsaha na an-tanàna anie
Tsy hifanary, tsy hifandao.
 
3- Isika vory eto izao
No trano atsimo avaratra;
Izay tsy mahalena ihany anie,
No ndeha hialofantsika.

 
 

Nampiditra aiinah
Sokajy Fiadanana
Fihirana Hasina p. 770
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087