Ny anjely any an-tsaha

1 - Ny anjely any an-tsaha
Miventy hira vao nataony,
Ny akon'ny tendrombohitra
Manaraka izao hira izao :

Fiv: Gloria in excelsis Deo.

2 - Iza no hirainareo
Mpiandry ondrin'ny tanana
Iza no omenareo
Izao hira ataonareo izao ? 

3 - I Jesoa Mpamonjy Masina
Nandrasana izay ela izay
Teraka any Betlehema
No itondranay hira vao.

4 - Inona avy no hoentina
Hanasinana ny Mpamonjy
Fo tia sy fo mivalo
No hasina ilain'i Jesoa.

5 - 'Zahay tsy ho diso anjara
Hiditra ao an-tranonao, Jesoa
Hamaly fankasitrahana
Ny soa omenao anay.

Nampiditra admin
Sokajy Noely
Fihirana Dera p. 105
Fihirana Hasina p. 62
Fihirana Vaovao p. 384
Vavaka sy Hira p. 665
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1185