Mahagaga ny fitiavanao, ry Andriamanitra Ray

Fiv:
Mahagaga ny fitiavanao, ry Andriamanitra Ray,
Fa hamonjy ny mpanomponao no nanirahanao ny Zanakao,
Mahagaga ny fitiavanao.
 

1 Raha toa ka ny Tompo tsy momba antsika,
 Mba lazalazo re, ry Israely!
 Raha toa ka ny Tompo tsy momba antsika,
 Raha tonga nanenda ny fahavalo,
 Nateliny velona teo isika
 Fa vinitra loatra 'reo mpankahala.

2 Nisamboaravoara ny onjan-drano,
 Nandrendrika izany fanahintsika.
 Kanefa isaorana izy Tompo:
 Tsy foiny ho rembin'ireny isika!
 Toa fody afa-pandrika isika 'zao!
 He! Rovi-karato ka afa-doza!
 
3 Ny anaran'ny Tompo no fitahiana,
 Fa vitany mora ny zava-boaary.
 Endrey ny fitiavan'ny Ray antsika:
 Ny Zanany efa nomeny antsika,
 Natsangany ho zanany koa isika,
 Nomeny Fanahy hampiray antsika.

Nampiditra pissoa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 364
Fihirana Dera p. 289
Fihirana Hasina p. 258
Fihirana Vaovao p. 443
Vavaka sy Hira p. 324
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089