Ianareo ho vahoakako, izaho ho Andriamanitrareo

Fiv :
Ianareo ho vahoakako, izaho ho Andriamanitrareo.

(Ez. 36, 24-28)

1 - Fa halaiko avy amin'ny firenen-kafa ianareo
Sy hangoniko avy amin'ny tany rehetra
Ka haveriko ho any amin'ny taninareo.
 
2 - Ho fafazako rano madio ianareo dia hadio,
Ka ny fahalotoana aman-tsampinareo
Hofafako hiala hanadio anareo.
 
3 - Koa fo sy fanahy vaovao no homeko anareo,
Dia halako amin'ny nofonareo ny fo vato,
Ary fo nofo kosa indray no homeko.
 
4 - Ny Fanahiko Masina hataoko ao anatinareo
Hanarahanareo ny lalana nomeko,
Ary koa hitandremanareo ny fitsipiko.
 
5 - Ary eo amin'ny tany nomeko ny Razanareo
Ianareo no honina ka ho vahoakako,
Dia izaho kosa indray no Andriamanitrareo.
 

Nampiditra pissoa
Sokajy Paka
Ankalazao ny Tompo p. 496
Fihirana Dera p. 302
Fihirana Hasina p. 346
Fihirana Vaovao p. 520
Vavaka sy Hira p. 413
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009