Ny teninao, Andriamanitra ô

1 - Ny teninao Andriamanitra ô,
Dia feno fitiavan-dehibe
Ny teninao mandresy lahatra
Manakantsakana izay mania

Fiv :
Ampianaro aho, Tompo ô
Hanambara ny fitiavanao
Hanompo anao Andriamanitra ô
Sambatra aho raha eo anilanao.

 
2 - Ny Teninao Andriamanitra ô,
Dia fahavalom-pahafatesana
Hatrany am-pasana aza no mandre
Ny maty dia ho velona indray.
 
3 - Ny Teninao Andriamanitra ô,
Dia hazavana manjopiaka
Fiadanana mahafa-po
Ho an'ny olona izay mankatò

Nampiditra admin
Fihirana Dera p. 278
Fihirana Hasina p. 357
Fihirana Vaovao p. 99
Vavaka sy Hira p. 501
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0087